Bokin'Izaia
Toko faha-30
19 Fa hianao, ry vahoaka monina ao Siona, ao Jerosalema, tsy hitomany intsony hianao, fa raha vao mitaraina hianao dia hamindrany fo; raha vao mandre anao izy dia hamaly anao.20 Homen'ny Tompo anareo, ny hanim-piahiahiana mafy sy ny ranom-pahoriana; ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao, ary hahita maso an'izay mampianatra anao hianao.
21 Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no làlana, ka ombao io! - dia raha hianareo hivily na ho an-kavanana na ho an-kavia.