Bokin'Izaia

Toko faha-31

1 Loza ho an'ireo izay midina hitady vonjy any Ejipta; miantehitra amin'ny soavaly, ary mitoky amin'ny kalesy, noho ny hamaroan'ireny, sy amin'ny mpitaingin-tsoavaly, noho izy matanjaka; nefa ilay Masin'Israely tsy mba andrandrainy; ary Iaveh tsy tadiaviny.

2 Izy anefa dia hendry; mahatonga loza, tsy mitsoa-teny, hitsangan-kamely ny ankohonan'ny ratsy fanahy, ary handà ny fanampiana avy amin'izay manao ny tsy marina.

3 Ny Ejipsiana dia olombelona ihany, fa tsy Andriamanitra; ny soavaliny dia nofo, fa tsy fanahy; dia haninji-tànana Iaveh, ka ho tafintohina izay manampy, ho potraka izay hampiana, ary hiara-devona avokoa izy roa tonta.

4 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Toy ny fieronan'ny liona sy ny liona tanora amin'ny rembiny, raha mivory hanohitra azy ny mpiandry ondry maro be, ka tsy resin-tahotra izay horakorak'izy ireo, na manahy izay hamaroany akory; toy izany koa no hidinan'ny Tompon'ny tafika mba hiady, eo an-tendrombohitra Siona sy eo amin'ny havoany.

5 Tahaka ny vorona mamelatr'elatra hanomba ny zanany, no hiarovan'ny Tompon'ny tafika an'i Jerosalema; hiaro izy sy hamonjy, ary handalo sy hanafaka.

6 Koa miverena re ho amin'ilay efa nihatahanareo fatratra, ry zanak'Israely.

7 Fa amin'izany andro izany ny olona, samy hanary ny sampy volafotsy aman-tsampy volamenany avy izay nataon'ny tànanareo hanotana.

8 Ary Asora ho lavon-tsabatra, nefa tsy sabatr'olombelona; sabatra izay tsy sabatr'olombelona no handevonana azy; handositra eo anoloan'ny sabatra izy, ary ny zatovony hampandoavina hetra.

9 Ny vatolampiny handositra aman-tahotra; ary ny andriandahiny mangovitra handao ny faneva, - teny ton'ny Tompo - izay manana ny afony ao Siona, sy ny fatam-pandoroany ao Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.036