Bokin'Izaia
Izaia toko 31
Ratsy ny miankina amin'ny Ejipsiana - Andriamanitra ihany no mahavonjy - Fandresena an'i Asora.
1 Loza ho an'ireo izay midina hitady vonjy any Ejipta;
miantehitra amin'ny soavaly,
ary mitoky amin'ny kalesy, noho ny hamaroan'ireny,
sy amin'ny mpitaingin-tsoavaly, noho izy matanjaka;
nefa ilay Masin'Israely tsy mba andrandrainy;
ary Iaveh tsy tadiaviny.
2 Izy anefa dia hendry; mahatonga loza,
tsy mitsoa-teny,
hitsangan-kamely ny ankohonan'ny ratsy fanahy,
ary handà ny fanampiana avy amin'izay manao ny tsy marina.
3 Ny Ejipsiana dia olombelona ihany, fa tsy Andriamanitra;
ny soavaliny dia nofo, fa tsy fanahy;
dia haninji-tànana Iaveh,
ka ho tafintohina izay manampy, ho potraka izay hampiana,
ary hiara-devona avokoa izy roa tonta.
4 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko:
Toy ny fieronan'ny liona
sy ny liona tanora amin'ny rembiny,
raha mivory hanohitra azy
ny mpiandry ondry maro be,
ka tsy resin-tahotra izay horakorak'izy ireo,
na manahy izay hamaroany akory;
toy izany koa no hidinan'ny Tompon'ny tafika mba hiady,
eo an-tendrombohitra Siona sy eo amin'ny havoany.
5 Tahaka ny vorona mamelatr'elatra hanomba ny zanany,
no hiarovan'ny Tompon'ny tafika an'i Jerosalema;
hiaro izy sy hamonjy, ary handalo sy hanafaka.
6 Koa miverena re ho amin'ilay efa nihatahanareo fatratra,
ry zanak'Israely.
7 Fa amin'izany andro izany ny olona,
samy hanary ny sampy volafotsy aman-tsampy volamenany avy
izay nataon'ny tànanareo hanotana.
8 Ary Asora ho lavon-tsabatra, nefa tsy sabatr'olombelona;
sabatra izay tsy sabatr'olombelona no handevonana azy;
handositra eo anoloan'ny sabatra izy,
ary ny zatovony hampandoavina hetra.
9 Ny vatolampiny handositra aman-tahotra;
ary ny andriandahiny mangovitra handao ny faneva,
- teny ton'ny Tompo - izay manana ny afony ao Siona,
sy ny fatam-pandoroany ao Jerosalema.