Bokin'Izaia

Toko faha-32

1 Indro misy mpanjaka hanjaka araka ny rariny; ary ny mpanapaka hitondra araka ny hitsiny.

2 Ka izy ireo dia samy ho fiarovana amin'ny rivotra; ho fialofana amin'ny ranonoram-baratra; tahaka ny ranovelona eo amin'ny tany karankaina; tahaka ny alo-batolampy eo amin'ny tany foana.

3 Ny mason'ny mahiratra tsy hajambaina intsony, ny sofin'ny malady, hihaino tsara,

4 ny fon'ny maivan-doha, halaky mahazo an-tsaina; ny lelan'ny mikodedidedika, hahay miteny mazava.

5 Ny adala tsy mba antsoina hoe andriana intsony; ary ny mpihatsaravelatsihy, tsy ho lazaina hoe mahery fo intsony.

6 Satria ny adala miteniteny foana, ary ny ratsy no imasoan'ny fony, mba hanaovany zavatra mifanohitra amin'ny fivavahana; sy hanononany teny diso manohitra an'ny Tompo, mba hamelany ny fanahin'ny noana hilendalenda fotsiny eo, sy hanesorany ny fisotro eny amin'izay mangetaheta.

7 Ny fiadian'ny mpamitaka dia enti-mamadika, mamoron-tsain-dratsy izy io, hamerezany amin'ny lainga ny olona iva toetra, ary ny mahantra koa, na dia izay milaza zavatra ara-drariny aza.

8 Fa ny andriana manan-kevitra mendrik'andriana, sy hitsangan-kanao asa mendrik'andriana.

9 Ry vehivavy tsy manahy, mitsangàna, mihainoa ny feoko! Ry zazavavy tsy manahy, mampandria sofina aminy teniko.

10 Raha afaka herintaona mahery andro vitsy, dia hangovitra hianareo tsy manahy, fa ny fiotazam-boaloboka tsy hisy; ny fanangonam-boa tsy hatao.

11 Manàna vadi-po, ry kala mitsilamodamoka! mangovita, ry kala tsy manahy. Esory ny fitafianareo sarobidy, mialà akanjo, misikina lasaka.

12 Migogogogo ny olona mandondon-tratra ny amin'ny saha mahafinaritra, ny amin'ny tanim-boaloboka mahavokatra!

13 Eo amin'ny tanin'ny vahoakako, tsilo sy hery no maniry, na dia eo ambonin'ny trano firavoravoana rehetra aza ao amin'ny tanàna ravoravo.

14 Fa ny lapa, nilaozana, ny tanàna maresaka, zary tany foana; Ofely sy ny Tilikambo fiambenana, zary fierem-biby ho mandrakizay, fikarenjen'ampondra dia, ary fiandrasana biby fiompy.

15 Mandra-pampidina ho ao amintsika, ny fanahy avy any ambony, ka ny efitra ho tonga saha misy hazo mamoa, ary ny sahan-kazo mamoa hatao ho ala.

16 Amin'izany, ny hitsiny hitoetra any an'efitra; ny rariny hiorim-ponenana ao amin'ny sahan-kazo mamoa.

17 Ary ny ho vokatry ny fahamarinana dia ny fitsaharana sy ny fandriam-pahalemana mandrakizay.

18 Ny vahoakako honina eo amin'ny toeram-piadanana, eo amin'ny trano fonenana mahatoky, eo amin'ny trano fipetrahana mandry fahizay.

19 Nefa ny ala, haripaky ny havandra; ary ny tanàna, haetry ambany dia ambany.

20 Sambatra hianareo mamafy eny rehetra eny anilan'ny rano, sy mamela ny tongotry ny omby aman'ampondra, hiriaria.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1804