Bokin'Izaia
Izaia toko 35
Famonjena sy voninahitr'Israely.
1 Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
2 ary hamony tahaka ny narisisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr'i Libàna
mbamin'ny hakanton'i Karmely sy Sarona.
Izy ireo hahita ny voninahitr'Iaveh,
sy ny famirapiratan'ny Andriamanitsika.
3 Hatanjaho ny tànana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
4 Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:
Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo;
tamy ny famaliana, famalian'Andriamanitra,
tenany no ho avy, dia hamonjy anareo.
5 Amin'izay dia hahiratra ny mason'ny jamba,
halady ny sofin'ny marenina.
6 Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan'ny moana.
Fa hisy rano miboiboika any an'efitra;
ary sakeli-drano eny amin'ny tany lemaka lava volo.
7 Ny tany hay, hanjary ho farihy,
ary ny tany mangetana ho loharano.
Ny lavaka fonenan'ny amboadia hanjary
saham-bolotara aman-jozoro.
8 Hisy arabe, hisy làlana,
izay atao hoe ny làlana masina;
ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo;
fa ho azy ireo ihany izy io;
izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.
9 Ao tsy mba hisy liona,
tsy hisy biby masiaka mandia ao,
tsy hisy ho hita ao.
Fa ny voavonjy no hizotra ao,
ary ny navotan'Iaveh no ho tonga ao indray;
10 Ho tonga ao Siona amin'ny hobin-kafaliana izy ireo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy;
fa ny sento amam-pijaliana handositra.