Bokin'Izaia

Izaia toko 35. 1-6,10
Famonjena sy voninahitr'Israely.

       1 Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
       2 ary hamony tahaka ny narisisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr'i Libàna
mbamin'ny hakanton'i Karmely sy Sarona.
Izy ireo hahita ny voninahitr'Iaveh,
sy ny famirapiratan'ny Andriamanitsika.
       3 Hatanjaho ny tànana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
       4 Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:
Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo;
tamy ny famaliana, famalian'Andriamanitra,
tenany no ho avy, dia hamonjy anareo.
       5 Amin'izay dia hahiratra ny mason'ny jamba,
halady ny sofin'ny marenina.
       6 Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan'ny moana.
Fa hisy rano miboiboika any an'efitra;
ary sakeli-drano eny amin'ny tany lemaka lava volo.
       10 Ho tonga ao Siona amin'ny hobin-kafaliana izy ireo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy;
fa ny sento amam-pijaliana handositra.