Bokin'Izaia
Toko faha-35
1 Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina, hiravoravo ny tany lemaka lava volo,2 ary hamony tahaka ny narisisa; hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana ary hanao hoby firavoravoana izy. Homena azy ny voninahitr'i Libàna mbamin'ny hakanton'i Karmely sy Sarona. Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo, sy ny famirapiratan'ny Andriamanitsika.
3 Hatanjaho ny tànana osa, herezo ny lohalika mangozohozo!
4 Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian'Andriamanitra, tenany no ho avy, dia hamonjy anareo.
5 Amin'izay dia hahiratra ny mason'ny jamba, halady ny sofin'ny marenina.
6 Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan'ny moana. Fa hisy rano miboiboika any an'efitra; ary sakeli-drano eny amin'ny tany lemaka lava volo.
10 Ho tonga ao Siona amin'ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.