Bokin'Izaia

Toko faha-38

1 Tamin'izany andro izany, narary efa ho faty Ezekiasa. Ary tonga tao aminy Izaia, zanak'i Amosa, nanao taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Omeo ny fianakavianao izay didinao, fa ho faty hianao, fa tsy ho velona intsony.

2 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina Ezekiasa, ka nivavaka tamin'ny Tompo; hoy izy: 3 Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehanao tamim-pahamarinana sy firaiketam-po aminao aho, ary nanao izay tsara eo imasonao. Sady nitomany nanao ranomaso havozona Ezekiasa. 4 Dia tonga tamin'Izaia ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

5 Mandehana lazao amin'i Ezekiasa hoe: Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitr'i Davida, rainao: Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao, ka indro, ampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao. 6 Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asiria aho; ary hiaro ity tanàna ity. 7 Ary izao no famantarana omen'ny Tompo ho anao, hahafantaranao fa hotanterahin'ny Tompo izany teny nolazainy izany: 8 Indro aho hampihemotra ny aloka hiverina araka ny ambaratonga efa nampidinin'ny masoandro azy, eo amin'ny ambaratongan'i Akaza, dia ambaratonga folo. Dia nihemotra ambaratonga folo, teo amin'ny ambaratonga efa nidinany teo, ny masoandro. 21 Hoy Izaia: Mitondrà ampempan'aviavy iray, dia apetaho amin'ny fery, ary aoka ho sitrana ny mpanjaka. Ary hoy Ezekiasa: Inona no famantarana ahalalako fa hiakatra any amin'ny tranon'ny Tompo aho?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0957