Bokin'Izaia

Toko faha-40

1 Ampionony, ampionony ny vahoakako, hoy Andriamanitrareo.

2 Mitenena amin'ny fon'i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin'ny tànan'ny Tompo, ny indroa heny valin'ny fahotany.

3 Injany misy feo miantso hoe: Misavà làlana any an'efitra, ho an'ny Tompo, manorena arabe any an-tany lava volo ho an'ny Andriamanitsika!

4 Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra; ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry; ny avo hanjary tany lemaka; ary ny vato mideza ho lembalemba.

5 Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo, ka ho hitan'ny nofo rehetra tsy an-kanavaka fa ny vavan'ny Tompo no efa niteny.

9 Miakara eny an-tendrombohitra avo hianao, izay mitondra ny teny soa ho an'i Siona. Manandrata feo mafy hianao, izay mitondra ny teny soa ho an'i Jerosalema; manandrata feo, fa aza matahotra, lazao amin'ny tanànan'i Jodà hoe: Indro ny Andriamanitrareo!

10 Indro fa tonga Iaveh Tompo, amin'ny heriny; ny sandriny mampiasa ny fanapahana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny, eo anoloany.

11 Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian'ondry izy; handray ny zanak'ondry amin'ny sandriny, hitondra an'ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0985