Bokin'Izaia

Toko faha-41

1 Mangina hihaino ahy, hianareo, ry nosy, ary aoka ny firenena hamelombelona ny heriny, ka hanatona sy hiteny! Andeha isika hiaraka ho eo amin'ny fitsarana.

2 Iza no nampiakatra avy any atsinanana an'ilay ifanenan'ny fahamarinana ny diany? Iza no nanolotra azy an'ireo firenena, sy nampanaiky azy an'ireo mpanjaka? Mampanjary ny sabany ho vovoka izy; ary ataony tonga sahala amin'ny akofa entin-drivotra ny tsipìkany.

3 Enjehiny ireo, ka mizotra soa aman-tsara izy; eo amin'ny làlana mbola tsy nodiavin'ny tongony.

4 Iza no nanao izany? Iza no nahefa izany? Ilay niantso ny taranaka hatramin'ny voalohany, izaho Iaveh, izay voalohany, sady ho eo amin'ny farany koa!

5 Mahita izany ireo nosy, ka raiki-tahotra; mangovitra ny vazan-tany; manatona izy ireo ka tonga.

6 Samy manampy ny namany avy izy, ary mifampilaza hoe: Matokia!

7 Ny mpanefy mankahery ny mpanao anidina; ny mpandama amin'ny tantanana mankahery ny mively eo amin'ny riandriana; hoy izy, miantso ny faninginana: Tsara ity; dia homboany amin'ny fantsika ilay sampy tsy hihozongozona.

8 Fa hianao kosa, ry Israely, mpanompoko, hianao, ry Jakoba nofidiko, taranak'i Abrahama, sakaizako.

9 Hianao izay notantanako avy any am-paran'ny tany, sy nantsoiko avy any amin'ireo tany lavitra ireo: hianao izay nilazako hoe: Mpanompoko hianao, efa nofidiko, ka tsy mba nariako.

10 Aza matahotra hianao fa momba anao aho; aza mijerijery amin'ahiahy, fa izaho no Andriamanitrao; nohazoniko mafy hianao, ka manampy anao aho; ary manohana anao amin'ny tànana an-kavanan'ny fahamarinako.

11 Ho menatra sy hangaihay foana, izay rehetra misafoaka hamely anao; hanahaka ny zava-poana sy ho levona, izay mifanditra aminao.

12 Hozahanao fa tsy ho hitanao intsony, ry zareo mila sotasota aminao; hanahaka ny zava-poana, hanjary tsinontsinona, ry zareo miady aminao.

13 Fa izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin'ny tànana an-kavanana, milaza aminao hoe: Aza matahotra, izaho no tonga mamonjy anao.

14 Aza matahotra, ry kankana avy amin'i Jakoba, ry olom-bitsy sisa, tamin'Israely! fa izaho no tonga mamonjy anao - teny marin'ny Tompo - ary ilay Masin'Israely no mpanavotra anao.

15 Indro ataoko ambaramba maranitra hianao sady vao no marani-daniroa, hodiavinao ny tendrombohitra sy hotorotoroinao, ary hampanjarinao akofa ny havoana.

16 Hokororohinao izy, ka hopaohin'ny rivotra, sy haelin'ny ranonoram-baratra. Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin'ny Tompo ary ilay Masin'Israely no hireharehanao.

17 Ireo ory sy mahantra, izay mitady rano fa tsy mahita, ka mainan'ny hetaheta ny lelany, dia izaho Iaveh no hihaino azy, izaho Andriamanitr'Israely tsy handao azy.

18 Hampiboiboika renirano, eo amin'ny tendrombohitra mangadihady aho, ary loharano eo afovoan'ny lohasaha; hovako ho farihy ny efitra; ary ho loharano miboiboika, ny tany karankaina.

19 Ny efitra hampaniriako sedra akasia, mirta sy oliva; hataoko indray maniry eo amin'ny tany lava volo ny sipresa, platana, ary boisy.

20 Mba ho hitany sy fantany ary hodinihiny sy hiarahany mahalala, fa ny tànan'ny Tompo no nanao izany, ary ilay Masin'Israely no nahary izany.

21 Alaharo ny teninareo, hoy Iaveh, Asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny mpanjakan'i Jakoba.

22 Aoka hasehony sy hambarany amintsika, izay zavatra ho avy! Ambarao izay zavatra taloha, mba inona sy inona avy ireny? hikezaka handinika izany ny fonay, hahalalanay izay nahatanterahany! Na hoe ampandreneso anay, izay zavatra ho avy!

23 Lazao izay zavatra ho avy any aoriana any, dia ho fantatray fa andriamanitra hianareo. Manaova soa, na manaova ratsy, mba hahitanay izany sy hiarahantsika migaga.

24 Indro fa tsinontsinona hianareo, ary zava-poana ny asanareo; vetaveta izay mifidy anareo!

25 Nampitranga azy avy any avaratra aho, ka tonga izy, avy any atsinanana izy miantso ny anarako; hoseny hoatra ny fanosy fotaka, ny mpanapaka; sy tahaka ny fanosin'ny mpanao vilany ny tanimanga.

26 Iza no nampahalala azy hatramin'ny voalohany mba hahafantaranay izany, sy teo aloha ela, mba hilazanay hoe: Marina izany? Tsia: tsy nisy olona nilaza azy! Tsia, tsy nisy olona nampandre azy! Tsia, tsy nisy olona nandre ny teninareo!

27 Izaho no voalohany nilaza tamin'i Siona hoe: Indro! indreo izy, ary mandefa mpitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema aho.

28 Mijery aho, ka tsy misy olona; tsy misy mpanolo-tsaina amin'izy ireo, izay azoko nanontaniana sy hamaly ahy.

29 Indro fa zava-poana avokoa izy rehetra; tsinontsinona ny asany; rivo-poana ny sampiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0467