Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 42, 1-4,6-7,
Ilay mpanompon'Iaveh, alalam-pamonjen'Israely sy fahazavan'ny firenena - Hira fankalazana an'Iaveh - Ny asa hataony - Fahajamban'Israely - Arovan'Iaveh ihany anefa izy.

       1Indro ny mpanompoko izay tantanako;
ilay voafidiko ka sitraky ny foko;
napetrako ao aminy ny fanahiko;
hamoaka fahamarinana ho an'ny firenena izy.
       2Tsy hiantso mafy izy, na hanandra-peo,
na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalambe.
       3Ny volotara, tsy hotapahany;
ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny.
Hanambara ny rariny, araka ny marina izy;
       4tsy ho ketraka izy na ho kivy akory,
mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany;
ary ny nosy hiandry ny lalàny.
       6Izaho Iaveh no niantso anao, tamin'ny fahamarinana,
sy nandray tànana anao,
miaro anao aho ary manao anao ho fanekem-pihavanana ho an'ny vahoakako
sy fahazavan'ny firenena,
       7hampahiratra ny mason'ny jamba,
hamoaka ny mifatotra eo amin'ny tranomaizina,
sy ireo mipetraka ao anatin'ny haizina ao amin'ny fonja. >