Bokin'Izaia

Toko faha-43

1 Ary ankehitriny, izao no lazain'ny Tompo, dia ilay nahary anao, ry Jakoba, sy namorona anao, ry Israely: Aza matahotra fa izaho efa nanavotra anao, izay efa niantso anao amin'ny anaranao, ka ahy hianao!

2 Raha mita rano hianao, dia homba anao aho; raha mamaky ny ony hianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan'ny afo hianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.

3 Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao; ilay Masin'Israely no Mpamonjy anao. Efa nomeko ho avotrao, Ejipta, ary ho solonao Etiopia sy Sabà.

4 Satria sarobidy eo imasoko sy mendrika hohajaina hianao, sady tia anao aho, hanome olona maro ho takalonao aho, sy firenena maro, ho solon'ny ainao.

5 Aza matahotra fa momba anao aho, hamerina ny taranakao avy any Atsinanana aho, ary hanangona anao avy any Andrefana.

6 Ny Avaratra hilazako hoe: Atolory izy! ary ny Atsimo hataoko hoe: Aza mitana azy! Avereno ny zanakolahy, avy any lavitra any, sy ny zanakovavy, avy any am-paran'ny tany,

7 dia izay rehetra mitondra ny anarako, izay nohariko ho voninahitro sy noforoniko ary nataoko.

8 Avoahy ny olona jamba mana-maso, sy ny marenina manan-tsofina.

9 Aoka hivory ny firenena rehetra, sy hiangona ny vahoaka! Iza amin'izy ireo no nanambara izany zavatra izany, sy nilaza tamintsika ny faminaniana taloha? Aoka hasehony izay vavolombelona sy hanamarina ny filazany izy; aoka hihaino azy ny olona sy hanao hoe: Marina izany!

10 Hianareo no vavolombeloko, - teny marin'ny Tompo sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako.

11 Izaho dia izaho ihany no Iaveh, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy izaho.

12 Izaho no nilaza, izaho no namonjy, izaho no nilaza mialoha, tsy mba andriamani-kafa eo aminareo; ary hianareo no vavolombeloko - teny marin'ny Tompo.

13 Izaho no Andriamanitra. Amin'ny sisa izaho ihany koa no izy, ary tsy misy olona mahafaka amin'ny tànako; Hiasa aho, ka zovy moa no hahasakana izany?

14 Izao no lazain'ny Tompo, mpanavotra anareo, ilay Masin'Israely: Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an'i Babilona aho, ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo, dia ny Kaldeana, ka hidina any amin'ny sambo ireharehany fatratra!

15 Izaho no Iaveh, ilay Masinareo, ilay mpahary an'Israely, mpanjakanareo!

16 Izao no lazain'ny Tompo, izay nanao làlana eny amin'ny ranomasina, sakeli-dàlana eny amin'ny rano mahery,

17 izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika amam-piady mahery, hiantafika, - indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. -

18 Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony!

19 Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va hianareo? Hanisy làlana any an'efitra aho, sy ony eny an-tany karankaina.

20 Hanome voninahitra ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin'ny amboadia sy ny ostritsa, satria nanisy rano tany an'efitra aho, sy ony eny amin'ny tany karankaina, hampisotroina ny vahoakako, ny olom-boafidiko,

21 ny vahoaka noforoniko mba ho ahy, ka hitory ny fiderana ahy.

22 Kanefa, ry Jakoba o, tsy mba niantso ahy hianao, na nisahirana tamiko akory, ry Israely.

23 Tsy mba nanateranao ny ondrin'ny sorona doranao aho, na nomenao voninahitra tamin'ny soronao akory. Tsy namesatra anao tamin'ny fanatitra aho na nanasatra anao tamin'ny emboka manitra.

24 Tsy lany vola namidy veromanitra ho ahy hianao; na namoky ahy tamin'ny saboran-tsoronao; fa hianao aza no namesatra ahy tamin'ny fahotanao, nanasatra ahy tamin'ny tsy fahamarinanao.

25 Izaho dia izaho ihany no mamono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.

26 Ampahatsiarovy aho; aoka hifandahatra isika. Aoka ny tenanao no hilaza izay mahamarina ny anao.

27 Nanota ny rainao voalohany, ary nivadika tamiko ireo mpanalàlanao.

28 Ka izany no nanonganako an'ireo loholon'ny fitoerana masina, nanolorako an'i Jakoba ho anatema sy Israely ho fandatsa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0452