Bokin'Izaia

Toko faha-45

1 Izao no lazain'ny Tompo, amin'ilay voahosony, amin'i Sirosy, izay notantanako tamin'ny tànany havanana, mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany, sy hamaha ny fehin-kibon'ireo mpanjaka, ary hamoha ny varavarana eo anoloany, mba tsy ho voasakana tsy hiditra amin'ireny izy.

4 Jakoba mpanompoko, sy Israely voafidiko, no niantsoako anao tamin'ny anaranao; sy nanendreko anao, fony mbola tsy nahalala ahy hianao.

5 Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa koa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho! Nampisikina anao aho, fony hianao mbola tsy nahalala ahy;

6 mba hahafantaran'ny olona, hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany fa tsy misy na inona na inona afa-tsy izaho! Izaho no Iaveh ary tsy misy hafa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0482