Bokin'Izaia
Izaia toko 48
Notanterahin'Iaveh ny faminaniana taloha, ary hotanterahany ny vaovao koa mba ho voninahitry ny anarany - Ny fialana any Babilona.
1 Mihainoa izao, ry taranak'i Jakoba,
hianareo izay antsoina amin'ny anaran'Israely;
nateraky ny loharanon'i Jodà,
mianiana amin'ny anaran'ny Tompo,
ary mankalaza ny Andriamanitr'Israely,
nefa tsy amin'ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po.
2 Fa maka ny anarany amin'ny tanàna masina izy ireo,
sy miankina amin'ny Andriamanitr'Israely,
izay mitondra anarana hoe: Iavehn'ny tafika.
3 Ny zavatra taloha, dia efa nambarako hatramin'ny ela;
naloaky ny vavako izany, sady nantsoiko ampahibemaso;
ary tampoka aho dia nanao, ka tanteraka ireo zavatra ireo.
4 Noho ny fahalalako fa hianao dia mafy hatoka,
ary anja-by ny vozonao,
sy varahina ny handrinao,
5 dia nambarako taminao hatramin'ny ela izany zavatra izany;
nolazaiko taminao talohan'ny hahatongavany izany,
fandrao lazainao hoe: Ny sampiko no nanao izany;
ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany.
6 Efa nandre izany hianao; jereo fa tanteraka avokoa izy;
fa hianareo kosa, tsy hanambara izany va hianareo?
Ankehitriny mampandre anao zava-baovao aho,
dia zava-miafina mbola tsy fantatrao.
7 Vao izao no noharina izany, fa tsy taloha;
hatramin'izao anio izao, tsy mbola nandre izany hianao,
fandrao lazainao hoe: Indro fa efa fantatro ihany izany.
8 Tsy mbola nandre izany hianao, tsy nahalala izany hianao;
tsy mbola nandre izany velively ny fonao.
Satria fantatro hianao fa mpivadika loatra,
ary ny anaranao hatrany an-kibon-dreninao
dia hoe mpivadika.
9 Noho ny anarako, dia manindry ny hatezerako aho,
ary noho ny voninahitro, dia mandefitra aminao aho,
mba tsy hamongorana anao.
10 Indro fa nandrendrika anao aho, nefa tsy nahazo volafotsy;
ary nizaha toetra anao tamin'ny memin'ny fahoriana aho.
11 Noho ny fitiavako ny tenako, dia noho
ny fitiavako ny tenako no hanaovako izany;
satria ahoana no hanazimbana ny anarako?
Tsy hafoiko ho an'ny hafa ny voninahitro.
12 Mihainoa ahy, ry Jakoba,
sy hianao, ry Israely, izay nantsoiko;
Izaho dia izaho no voalohany,
izaho koa no farany.
13 Ny tànako ihany no nanorina ny tany,
ary ny tànako an-kavanana no namelatra ny lanitra;
izaho no miantso azy ireo,
dia tonga miaraka amin'izay izy.
14 Mivoria hianareo rehetra, ka mihainoa:
Iza tamin'ireny no mba efa nilaza izany?
Ilay tian'ny Tompo dia hanatanteraka ny sitra-pony amin'i Babela,
ary ny sandriny hamely ny Kaldeana. -
15 Izaho dia izaho ihany no niteny sady niantso azy;
nasaiko tonga izy, ka hambinina ny alehany.
16 Manatòna ahy hianareo, ka henoy izao:
Hatramin'ny voalohany, tsy niteny an-takontakona aho;
hatramin'ny ahatongavan'ireo zavatra ireo dia eo aho;
- Ary ankehitriny Iaveh, Tompo,
maniraka ahy omban'ny Fanahiny. -
17 Izao no lazain'ny Tompo mpanavotra anao,
ilay Masin'Israely:
Izaho Iaveh, Andriamanitrao,
mampianatra anao mba hahitanao soa;
mitarika anao amin'ny làlana tokony halehanao aho.
18 Enga anie ka hihaino ny teniko hianao,
dia ho tahaka ny ony ny fiadananao;
ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;
19 ho tahaka ny fasika ny taranakao;
dia ho tahaka ny vovo-pasika, ny haloaky ny kibonao;
tsy hesorina ny anarany,
na hovonoina eo anatrehako.
20 Mivoaha avy ao Babilona, mandosìra ny Kaldeana,
amin'ny hobin-kafaliana!
Torio izany, ataovy antso avo koa,
ampandreneso hatrany am-paran'ny tany!
Lazao hoe: Iaveh efa nanavotra
an'i Jakoba mpanompony!
21 Tsy mangetaheta ireo any amin'ny efitra nitondrany azy:
fa mampiboiboika rano avy amin'ny vatolampy izy ho an'ireo;
mampitresaka ny vatolampy izy, dia migororoana ny rano.
Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Iaveh.