Bokin'Izaia
Toko faha-48
17 Izao no lazain'ny Tompo mpanavotra anao, ilay Masin'Israely: Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin'ny làlana tokony halehanao aho.18 Enga anie ka hihaino ny teniko hianao, dia ho tahaka ny ony ny fiadananao; ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;
19 ho tahaka ny fasika ny taranakao; dia ho tahaka ny vovo-pasika, ny haloaky ny kibonao; tsy hesorina ny anarany, na hovonoina eo anatrehako.