Bokin'Izaia

Toko faha-49

1 Mihainoa ahy, ry nosy; mitandrema hianareo, ry firenena lavitra! Iaveh efa niantso ahy hatrany am-bohoka, efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon'i neny.

2 Nataony sabatra maranitra ny lelako; nalofany tamin'ny aloky ny tànany aho; nataony zana-tsipìka maranitra aho, nafeniny teo amin'ny tranon-jana-tsipìkany.

3 Ary hoy izy tamiko: Mpanompoko hianao, ry Israely, izay hataoko reharehako.

4 Dia hoy kosa aho: Foana ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona, no nandaniako ny heriko; fa ao amin'ny Tompo ny rariny ananako, ao amin'Andriamanitro ny valisoa ho ahy.

5 Ary ankehitriny miteny Iaveh, izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony, hampody an'i Jakoba aminy indray, ary mba ho tafakambana aminy indray Israely. - Ary mahazo voninahitra eo imason'ny Tompo aho, ary Andriamanitro no heriko. -

6 Hoy izy: Mbola zavatra kely foana ny maha-Mpanompoko anao, hanangana ny firenen'i Jakoba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin'Israely; fa hatsangako ho fahazavan'ny firenena hianao, mba hihitaran'ny famonjeko hatramin'ny faran'ny tany.

7 Izao no lazain'ny Tompo, ilay mpanavotra sy ilay Masin'Israely; amin'ilay esoina sy tevatevain'ny vahoaka, mpanompon'ny mpanapaka masiaka: Hahita anao ny mpanjaka, ka hitsangana; ary ny mpanapaka, ka hiankohoka, noho ny amin'ny Tompo izay mahatoky, sy ilay Masin'Israely izay nifidy anao.

8 Izao no lazain'ny Tompo: Mihaino anao amin'ny andro fankasitrahana aho, ary mamonjy anao amin'ny andro famonjena; niaro anao aho, ary nanangana anao ho faneken'ny firenena, hanandratra indray ny tany, hizara ny lova nosimbana;

9 hilaza amin'izay lasan-ko babo hoe: Mivoaha! sy amin'izay ao anatin'ny aizina hoe: Mankanesa atý amin'ny mazava; hahazo hiraotra izy ireo manaraka ny làlana, ary ny vilon-kohaniny dia eny amin'ny havoana rehetra;

10 tsy ho noana izy na hangetaheta, tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro. Fa ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo, sy hitondra azy ho eo amin'ny rano miboiboika.

11 Hataoko làlana ny tendrombohitra rehetra; ary hasandratra indray ny làlako.

12 Indreo ny sasany avy lavitra; indreo ny sasany avy any avaratra sy avy any andrefana, ary indreo koa ireo avy any amin'ny tanin'ny Sinima.

13 Mihobia an-kafaliana, ry lanitra; miontàna, ry tany! Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra! Fa Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy nangoraka ireo azy nampahorina!

14 Hoy Siona: Nafoin'ny Tompo aho; hadinon'ny Tompo aho! -

15 Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin'ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, izaho tsy mba hanadino anao!

16 Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin'ny felatànako hianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.

17 Ny zanakao, tamy faingana; ry zareo nanimba sy nandrava anao, manalavitra anao.

18 Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, fa mivory avokoa izy ireo, manatona anao izy ireo. Velona aho, - teny marin'ny Tompo, dia hihaingoanao, toy ny firavaka, ireo rehetra ireo; ary hisikinanao toy ny sikin'ny ampakarina.

19 Fa ny tanànanao rava, ny efitrao, ny taninao foana, ireo rehetra ireo dia tsy ho ampy amin'izay ho an'ny mponina eo aminao; ary izay nandany anao, lasa lavitra!

20 Amin'izany, hiteny eo an-tsofinao ireo zanakao nesorina taminao, hanao hoe: Ety loatra aho amin'ity tany ity, ka omeo fitoerana hahazoako honenana aho; ka ataovy izay hahazoako tany honenana.

21 Ary hianao kosa hanao anakampo hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa tsy nanan-janaka aho, momba aho, noroahina sy nisaorana aho; ary ireto kosa, iza no nitaiza azy? Indro aho nitoetra irery; ka taiza ireto?

22 Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Indro aho hanandratra ny tànako amin'ny firenena, ary hanangana ny fanevako amin'ny vahoaka; dia hoentiny miverina eo an-tànany ny zanakao lahy; ary hoentiny miverina eo an-tànany ny zanakao lahy; ary ho entiny miverina eny an-tsorony, ny zanakao vavy.

23 Mpanjakalahy no ho mpitaiza anao ary ny andriambaviny no ho mpitaiza anao; hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao izy ireo, ary hilelaka ny vovoka amin'ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Iaveh aho, ary tsy ho menatra izay manantena ahy.

24 Fa moa azo alaina amin'ny mahery va ny rembiny, ary mety ho afaka hitsoaka va ny marina lasan-ko babo?

25 Izao no lazain'ny Tompo: Halàna aminy na ny sambotry ny mahery aza, ary ho afaka aminy ny babon'ny mpanao an-keriny. Fa ny mpandrafy anao, dia izaho no hiady aminy, ny zanakao, dia izaho no hamonjy azy ireo.

26 Hataoko mihinana ny nofony ny mpampahory anao; hidoroka amin'ny ran'ny tenany, hoatra ny amin'ny divay vaovao; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin'i Jakoba no mpanavotra anao!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.127