Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 49, 3,5-6,

       <3Ary hoy izy tamiko: Mpanompoko hianao, ry Israely,
izay hataoko reharehako.
       5Ary ankehitriny miteny Iaveh,
izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony,
hampody an'i Jakoba aminy indray,
ary mba ho tafakambana aminy indray Israely.
- Ary mahazo voninahitra eo imason'ny Tompo aho,
ary Andriamanitro no heriko. -
       6Hoy izy: Mbola zavatra kely foana ny maha-Mpanompoko anao,
hanangana ny firenen'i Jakoba indray,
sy hampody ireo sisa voatahiry amin'Israely;
fa hatsangako ho fahazavan'ny firenena hianao,
mba hihitaran'ny famonjeko
hatramin'ny faran'ny tany. >