Bokin'Izaia

Toko faha-5

1 Andeha hihira ho an'ny malalako aho, ilay hiran'ny malalako, ny amin'ny tanim-boalobony. Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka, teo amin'ny tanety mahavokatra.

2 Ka nasainy ny tany, nesoriny ny vato taminy; ary namboly karazam-boaloboka teo izy. Nanorina tilikambo teo afovoany izy, ary nandavaka famiazam-boaloboka koa. Nampoiziny hamoa voaloboka tsara izy, kanjo divay marikivy no vokany.

3 Ary izao kosa, ry mponina ao Jerosalema, sy olona any Jodà, masìna hianareo, tsarao aho, sy ny tanim-boaloboko!

4 Inona moa no mbola tokony ho natao tamin'ny tanim-boaloboko, ka tsy nataoko taminy? Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany, kanjo tsy namoa afa-tsy divay marikivy izy?

5 Koa ankehitriny haposako aminareo, izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: hongotako ny fefiny, dia horaotina izy; harodako ny tambohony, dia ho voahosihosy izy.

6 Hataoko tany foana izy; ka tsy hohetezana na hasaina intsony; fa hanirian'ny hery aman-tsilo; ary handidy ny rahona aho, tsy handatsaka orana aminy intsony.

7 Fa ny taranak'Israely, no tanim-boalobok'Iavehn'ny tafika, ary ny olona any Jodà, no voly nolalainy; hitsiny no nantenainy taminy, kanjo ra latsaka no niseho; ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1244