Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 50, 5-9a,

       <5Nosokafan'ny Tompo Tompo ny sofiko,
ary tsy mba nanohitra aho,
na nihemotra akory,
       6Natolotro tamin'ny mpikapoka ahy ny lamosiko;
ary tamin'ireo nanongotra ny volombavako ny takolako;
ary ny tavako tsy nafeniko
tamin'ny latsa sy ny rora.
       7Fa Iaveh Tompo namonjy ahy,
ka ny latsa tsy nahaketraka ahy;
ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato,
ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
       8Akaiky ilay manamarina ahy: iza no handahatra manohitra ahy?
Aoka hifanatrika isika!
Iza no manohitra ahy? Aoka izy hankaty amiko! -
       9Iaveh Tompo namonjy ahy:
Ka iza no hanameloka ahy?
He! ho kotikotika hoatra ny vorodamba izy rehetra,
ho lanin'ny kalalao! >