Bokin'Izaia
Izaia toko 51
Tsy ho ela ny famonjena, ary haharitra mandrakizay - Aza atahorana foana ny olona mety maty - Ny loza nanjo an'i Siona dia hatsingerin'Iaveh amin'ny mpampahory azy.
1 Mihainoa ahy, hianareo izay manaraka ny marina,
izay mitady an'ny Tompo.
Diniho ny vatolampy nanendahana anareo;
sy ny tany fihadiam-bato nangalana anareo.
2 Diniho Abrahama rainareo;
sy Sarà, izay niteraka anareo;
fa fony izy mbola tokana no nantsoiko izy,
dia notahiko sy nohamaroiko.
3 Satria efa nampionona an'i Siona Iaveh,
ka nampiononiny ny rava rehetra teo;
novany ho tahaka an'i Edena ny efitra teo;
ary ho zaridainan'ny Tompo ny tany foana tao.
Fifaliana amam-piravoravoana no ho hita ao,
mbamin'ny hira fisaorana amam-peo mozika.
4 Mihainoa ny feoko, ry vahoakako,
manongilàna sofina, ry fireneko!
fa hamoaka lalàna aho,
ary hanorina ny didiko ho fanazavana ny firenena.
5 Akaiky ny fahamarinako; efa hiseho ny famonjeko:
ary hitsara ny firenena ny sandriko;
manantena ahy ny nosy,
ary matoky ny sandriko izy.
6 Andrandrao ho amin'ny lanitra ny masonareo,
dia ampidino ho amin'ny tany ny fijerinareo;
fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka;
ary ny tany hanjary vorotra, hoatra ny fitafiana;
ny mponina eo aminy ho levona torak'izany koa;
fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay;
ary ny fahamarinako tsy mba ho levona.
7 Mihainoa ahy, hianareo mahalala ny fahamarinana,
ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao.
Aza matahotra izay latsan'olombelona;
na mivadi-po amin'izay fanaratsian'izy ireo.
8 Fa ho lanin'ny kalalao, hoatra ny fitafiana izy ireo,
ary hokotehin'ny tsindoha, hoatra ny volon'ondry.
Fa ny fahamarinako kosa haharitra mandrakizay;
ary ny famonjeko hihatra amin'ny taona rehetra.
9 Mifohaza, mifohaza hianao, mitafia hery,
ry sandrin'ny Tompo!
Mifohaza toy ny tamin'ny andro taloha,
tahaka ny tamin'ny taona fahiny.
Tsy hianao va no nitetika an-dRahaba ho potipotika,
sy nitomboka ilay dragona ho gorobaka?
10 Tsy hianao va no nahamaina ny ranomasina,
dia ny rano tao amin'ny hantsam-be.
Ka nanao ny fanambanin'ny ranomasina
ho làlana nalehan'ny navotana?
11 Koa hiverina ny navotan'ny Tompo;
dia hiditra ao Siona amin'ny hobim-pifaliana;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
ho henika azy ny fifaliana amam-piravoravoana;
Lasa nandositra ny sento amam-pahoriana. -
12 Izaho dia izaho no mampionona anareo;
fa iza moa hianao no dia matahotra olombelona mety maty,
zanak'olombelona mihelina hoatra ny ahitra;
13 ka dia manadino an'ny Tompo, Mpahary anao,
izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany;
mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro,
eo anatrehan'ny fisafoaky ny mpanapaka masiaka
rahefa mioman-kandrava anao izy.
Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?
14 Vetivety foana, dia ho voavaha izay mitanondrika;
tsy ho faty ao an-davaka izy;
ary tsy ho diso hanina.
15 Izaho dia Iaveh Andriamanitrao,
izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany;
Iavehn'ny tafika no anarany.
16 Nataoko tao am-bavanao ny teniko,
ary noalofako tamin'ny aloky ny tànako hianao,
mba hamboly lanitra sy hanorina tany,
ary hilaza amin'i Siona hoe: Vahoakako hianao!
17 Mifohaza, mifohaza,
miarena hianao, ry Jerosalema,
izay efa nisotro ny kapoaky ny hatezerana,
avy amin'ny tanan'ny Tompo;
izay efa nisotro sy nandany
ny kapoaka mahajenjina!
18 Tsy nisy nitari-dàlana azy, na iray aza,
ny zanany naterany rehetra.
Tsy nisy nitantana azy, na iray aza,
ny zanaka notezainy rehetra.
19 Loza roa no namely anao:
- iza moa no hanao teny mangoraka anao? -
Dia ny fandravana amam-pandringanana, ny mosary sy ny sabatra,
- hataoko ahoana no fampionona anao? -
20 Ny zanakao lahy efa reraka ka miapokapoka
eny an-joron-dàlana rehetra eny,
mova tsy ny antilopa voan'ny fandrika harato,
jenjin'ny hatezeran'ny Tompo
sy ny fandrahonan'ny Andriamanitrao.
21 Koa mihainoa izao, ry kala fadiranovana,
jenjina, fa tsy amin-divay!
22 Izao no lazain'ny Tompo Tomponao
sy Andriamanitrao izay miaro ny vahoakany:
Indro efa nesoriko teny an-tànanao,
ny kapoaka mahajenjina,
ny kapoaky ny fahatezerako;
tsy hisotro izany intsony hianao, izao sisa izao.
23 Hataoko eo an-tanan'ny mpanenjika anao izany,
dia amin-dry zareo nanao taminao hoe:
Miondreha handehananay!
Dia ny lamosinao no nataony toy ny tany,
sy toy ny lalambe ho an'ny mpandeha!