Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 52, 13-15,53

       <13Indro fa hambinina ny Mpanompoko,
hitombo, hankalazaina, ary ho tafasandratra indrindra.
       14Toy ny nigagan'ny maro nahita azy,
- fa rava endrika loatra izy, ka ny tarehany efa hoatra ny tsy tarehan'olombelona intsony;
ary ny tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak'olombelona intsony, -
       15no hampiontanany firenena maro.
Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka,
satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy,
sy handre ny tsy mbola reny. >