Bokin'Izaia

Toko faha-55

1 Hianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin'ny rano, na dia hianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna; avia hividy tsy amim-bola, na takalo, hividy divay sy ronono.

2 Nahoana hianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina; sy izay nisasaranareo, amin'izay tsy mahavoky? Koa mihainoa ahy, ary mihinana izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin'izay hanina fy.

3 Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an'i Davida.

4 Indro izy natsangako ho vavolombelona eo amin'ny firenana; ho mpanapaka sy mpandidy ny firenena.

5 Indro hianao hiantso ny firenena tsy fantatrao, ary ny firenena tsy nahalala anao, hidodododo ho aminao, noho ny amin'ny Tompo Andriamanitrao, sy ilay Masin'Israely, satria nomeny voninahitra hianao.

6 Mitadiava an'ny Tompo, dieny mbola mety ho hita izy; miantsoa azy dieny mbola akaiky izy.

7 Aoka ny ratsy fanahy hiala amin'ny làlany, ary ny meloka amin'ny heviny; ka hiverina amin'ny Tompo izy, dia hamindrany fo; dia amin'Andriamanitra fa mamela malalaka izy.

8 Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo, tsy mba làlako. - Teny marin'ny Tompo.

9 Tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany, no hahavon'ny làlako noho ny làlanareo, sy hahavon'ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

10 Tahaka ny ranonorana aman'oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an'ny mpihinana;

11 toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729