Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 55, 6-9

       <6Mitadiava an'ny Tompo, dieny mbola mety ho hita izy;
miantsoa azy dieny mbola akaiky izy.
       7Aoka ny ratsy fanahy hiala amin'ny làlany,
ary ny meloka amin'ny heviny;
ka hiverina amin'ny Tompo izy, dia hamindrany fo;
dia amin'Andriamanitra fa mamela malalaka izy.
       8Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo,
ary ny làlanareo, tsy mba làlako. - Teny marin'ny Tompo.
       9Tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany,
no hahavon'ny làlako noho ny làlanareo,
sy hahavon'ny fihevitro noho ny fihevitrareo. >