Bokin'Izaia

Toko faha-56

1 Izao no lazain'ny Tompo: Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny, fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.

2 Sambatra ny olona hanao izany, sy ny zanak'olombelona hifikitra mafy amin'izany, ka hitandrina ny sabata, tsy mandika azy, sy hifehy ny tànany tsy hanao ratsy akory!

3 Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin'ny Tompo, tsy hanao hoe: Ho esorin'ny Tompo marina aho, tsy ho isam-bahoakany, ary aoka ny eonoka tsy hanao hoe; Indro hazo maina aho!

4 Fa izao no lazain'ny Tompo amin'ny eonoka: Izay mitandrina ny sabatako ka hifidy izay sitrako ary hifikitra mafy amin'ny fanekeko:

5 dia omeko fahatsiarovana sy anarana, tsaratsara kokoa noho izay zanakalahy sy zanakavavy ao an-tranoko sy ao anatin'ny mandako izy; anarana mandrakizay no homeko azy ka tsy ho levona.

6 Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin'ny Tompo mba hanompo azy sy ho tia ny anarany, ary ho mpanompony; izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy, sy miraikitra mafy amin'ny fanekeko,

7 dia ho entiko ho ao an-tendrombohitra masina, sy hampifaliko ao an-tranoko fivavahana, hankasitrahana eo ambony otely ny sorony dorana aman-tsorony: fa ny tranoko hatao hoe: trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra

8 - teny marin' Iaveh Tompo izay mamory ny lasan-ko babo amin'Israely! Mbola hamory ny sasany koa aho ho eo aminy, hanampy ireo efa voavory sahady.

9 Hianareo, biby any an-tsaha rehetra, avia hihinana; ary hianareo biby any an'ala rehetra koa!

10 Fa ny mpiambina an'Israely jamba avokoa, tsy mahalala na inona na inona; amboa moana avokoa izy rehetra, ka tsy mahavovo ; fa manonofy, mandriandry, tia torimaso.

11 Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky. Mpiandry ondry izy ireo, tsy mety mahalala na inona na inona! Samy mandeha amin'ny làlany araka izay mahasoa ny tenany avy, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.

12 Avia hianareo, hoy izy, fa haka divay aho, ary hiboboka zava-pisotro mahery isika; ary ny ampitso koa toraky ny anio ihany, dia ho andro fety lehibe dia lehibe tokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0526