Bokin'Izaia
Toko faha-56
1 Izao no lazain'ny Tompo: Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny, fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.6 Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin'ny Tompo mba hanompo azy sy ho tia ny anarany, ary ho mpanompony; izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy, sy miraikitra mafy amin'ny fanekeko,
7 dia ho entiko ho ao an-tendrombohitra masina, sy hampifaliko ao an-tranoko fivavahana, hankasitrahana eo ambony otely ny sorony dorana aman-tsorony: fa ny tranoko hatao hoe: trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra