Bokin'Izaia

Toko faha-6

6 Kanjo, nanidina nanatona ahy, ny iray tamin'ireo Serafima, nitondra vain'afo teny an-tànany, nalainy tamin'ny tandra, teo ambony otely.

7 Nakasiny tamin'ny vavako izany, dia hoy izy: Jereo, efa voakasik'ity ny molotrao; ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao. 8 Dia nandre ny feon'ny Tompo aho, nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho any? Ka hoy aho: Inty aho; iraho aho.

9 Ary hoy izy: Mandehana ka lazao amin'ity firenena ity hoe: Mandrenesa hianareo, fa aza mahafantatra; aoka hahita hianareo fa tsy hahazo an-tsaina.

10 Ataovy lamodamoka ny fon'ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, dia tampeno ny masony, mba tsy hahita maso izy, sy tsy handre ny sofina ka tsy hibebaka sy tsy ho sitrana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.054