Bokin'Izaia

Toko faha-60

1 Mitsangana, ka namirapirata! fa miposaka ny fahazavanao; ary miposaka eo aminao, ny fahazavan'ny Tompo.

2 Indro ny aizina fa manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa Iaveh kosa no miposaka eo aminao; ary ny voninahiny miseho eo aminao.

3 Mandroso ho amin'ny fahazavanao ny firenena, ary ho eo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao ny mpanjaka.

4 Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, izy rehetra mivory mankaty aminao; ny zanakao lahy tamy avy lavitra; ny zanakao vavy entina an-trotroana.

5 Hahita izany hianao amin'izay ka ho miramirana; hibitaka sy hiravoravo ny fonao, fa hivantana aminao ny haren'ny ranomasina; ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena.

6 Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany mbamin-drameva avy any Madiana sy Efah hianao; ny any Saba rehetra ho avy, hitondra volamena sy emboka manitra, ary hitory ny fiderana an'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1026