Bokin'Izaia
Toko faha-61
9 Ny taranak'izy ireo, halaza eny amin'ny firenena; ary ny tamingany any amin'ny firenen-tsamihafa. Izay hahita azy hahalala azy avokoa, fa taranaka nosoavin'ny Tompo izy ireo.10 Ho revon-kafaliana eo amin'ny Tompo aho, ary hiravoravo amin'ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
11 Fa toy ny ampanirian'ny tany ny tsimoka eo aminy, sy toy ny ampitsimohan'ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy no ampanirian'ny Tompo Tompo ny fahamarinana, sy ny fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.