Bokin'Izaia

Toko faha-61

1 Ato amiko ny fanahin'ny Tompo, Tompo, satria voahosotry ny Tompo aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin'ny mahantra, hamehy ny ferin'ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;

2 hitondra taom-pahasoavana anankiray ho an'ny Tompo, sy ny andro famaliana anankiray ho an'ny Andriamanitsika; hampionona ny tra-pahoriana rehetra.

3 Hitondra ho an'ny tra-pahoriana ao Siona sy hanasatroka azy ny satro-boninahitra ho solon'ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon'ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon'ny fahareraham-po; dia hantsoin'ny olona hoe: terebintan'ny fahamarinana, volin'ny Tompo ho an'ny voninahiny.

4 Amin'izany izy ireo dia hanangana ny efa rava ela; hanarina indray ny sisan'izay voafongotra fahiny; hanamboatra ny tanana simba, mbamin'ny korontan-javatra rava tamin'ny taona lasa.

5 Ho eo ny vahiny, hiandry ny biby fiompinareo; ny zanaky ny hafa firenena, ho mpiasanareo sy mpamboly voalobokareo.

6 Fa hianareo kosa hataon'ny olona hoe: mpisoron'ny Tompo, sy hantsoin'ny olona hoe: Mpandraharahan'ny Andriamanitsika. Hihinana ny haren'ny firenena hianareo; hihaingo amin'ny zavatra kanto avy aminy, ary hitafy ny fiamboniana nananany.

7 Ho solon'ny henatrareo taloha, dia anjara roa no ho raisinareo, ary ho solon'ny fahafam-baraka, dia hifaly amin'ny anjarany avy izy ireo, ka dia hahazo anjara roa eo amin'ny taniny izy ireo, dia hisy fifaliana mandrakizay ho azy.

8 Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny, halako ny fandrobana atao amim-pamadihana; homeko ny valin'ny asany amim-pahamarinana izy, ary hanao fanekena mandrakizay amin'izy ireo aho.

9 Ny taranak'izy ireo, halaza eny amin'ny firenena; ary ny tamingany any amin'ny firenen-tsamihafa. Izay hahita azy hahalala azy avokoa, fa taranaka nosoavin'ny Tompo izy ireo.

10 Ho revon-kafaliana eo amin'ny Tompo aho, ary hiravoravo amin'ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0675