Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 61, 1-2
Ilay Mpanompon'Iaveh, iraka sy foto-pamonjena - Milaza azy ho Iraka sy Foto-pamonjena, ilay Mpanompon'Andriamanitra - Hatsangana sy ho be voninahitra, mihoatra noho ny nanetrena azy Siona - Fihavanana amin'Andriamanitra sy fiarovana azo aminy.

       1Ato amiko ny fanahin'ny Tompo, Tompo,
satria voahosotry ny Tompo aho;
nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin'ny mahantra,
hamehy ny ferin'ireo torotoro fo;
hampandre ny babo fa afaka
sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
       2hitondra taom-pahasoavana anankiray ho an'ny Tompo,
sy ny andro famaliana anankiray ho an'ny Andriamanitsika;
hampionona ny tra-pahoriana rehetra. >