Bokin'Izaia
Izaia toko 62
Ny famonjena nangatahana sy azo - Aoka ho tonga amin'i Jerosalema ny famonjena - Aoka ny mpiaro an'i Jerosalema hangataka an'Iaveh, hanatanteraka ny fampanantenany - Aoka hionona ny olona rehetra, fa tonga ny Mpamonjy.
1 Noho ny amin'i Siona tsy hangina aho,
ary noho ny amin'i Jerosalema, tsy hiala sasatra aho,
mandra-piposaky ny fahamarinany, hoatra ny hazavan'ny maraina;
sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny, hoatra ny fanilo.
2 Hahita ny fahamarinanao ny firenena,
hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra,
ka hantsoina amin'ny anaram-baovao hianao,
izay hofidin'ny vavan'ny Tompo.
3 Ho satro-boninahitra eo an-tanan'ny Tompo hianao,
sy ho hamaman'andriana, eo an-tanan'ny Andriamanitsika.
4 Tsy hisy intsony hanao anao hoe i Nafoy;
ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe i Faharinganana.
Fa ny hiantsoana anao dia ny hoe i Ankasitrahako;
ary ny taninao i Vady ampakarina.
Satria Iaveh hankasitraka anao;
ary ny taninao hahazo vady.
5 Tahaka ny ampakaran'ny zatovo ny virjiny ho vadiny,
no hampakaran'ny zanakao anao;
ary tahaka ny hamalifalian'ny ampakarina ny mpampakatra,
no hamalifalianao ny Andriamanitrao.
6 Eo ambonin'ny mandanao, ry Jerosalema,
no efa nametrahako mpiambina;
ka tsy hangina intsony ireny,
na andro na alina.
7 o ry zareo mpampahatsiaro an'ny Tompo o,
aza mitsahatra hianareo;
ary aza avelanareo hitsahatra izy,
mandra-panangany an'i Jerosalema indray,
sy mandra-panaony azy ho fideran'ny tany.
8 Iaveh efa nianiana tamin'ny tanany an-kavanana,
sy tamin'ny sandriny mahery hoe:
Ny varinao tsy homeko
hohanin'ny fahavalonao intsony,
ary tsy hosotroin'ny zanaky ny hafa firenena intsony ny divainao,
vokatry ny fisasaranao.
9 Fa izay mijinja ny vary ihany no hihinana azy,
ka hidera an'ny Tompo;
ary izay hioty ny voam-boaloboka ihany no hisotro azy,
eo amin'ny kianjan'ny fitoerako masina.
10 Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady hianareo,
areno ny lalan'ny vahoaka.
Savao, savao ny arabe, esory ny vato eo aminy;
manangana saina eo ambonin'ny vahoaka.
11 Izao no nambaran'ny Tompo,
hatrany amin'ny faran'ny tany:
Lazao amin'ny zanakavavin'i Siona hoe:
Indro, avy ny Mpamonjy anao;
ny valisoa homeny efa eny aminy;
ary ny tamby hatolony efa eo anoloany.
12 Izy ireo hantsoina hoe: Firenena masina,
Ny navotan'ny Tompo;
ary hianao kosa hantsoina hoe: Ilay irina,
Tanana tsy foy.