Bokin'Izaia

Toko faha-64

1 Tahaka ny afo mampirehitra ny hazo maina; tahaka ny afo mampangotraka ny rano; mba hampahafantaranao ny fahavalonao, ny anaranao, ka hangovitan'ny firenena eo anatrehanao,

2 amin'ny fahavitanao zava-mahatahotra, tsy azo nampoizina; endrey raha midina hianao dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra! -

3 zavatra izay mbola tsy re tsaika akory! Tsy mbola nisy nandre, tsy nisy maso nahita, izay Andriamanitra hafa manao toy izany, ho an'ny manantena azy, afa-tsy hianao.

4 Hianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana, izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro anao. Fa izao tezitra hianao, ary meloka izahay; - sady efa ela no toy izany: hovonjena va izahay? -

5 Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto; ary ny fahamarinanay rehetra, toy ny akanjo maloto. Malazo toy ny ravina avokoa izahay, ary ny helokay, mipaoka anay toy ny rivotra.

6 Tsy nisy olona niantso ny anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin'ny fahotanay izahay.

7 Fa ankehitriny, Tompo o, rainay hianao; tanimanga izahay, ary hianao no ilay nanefy anay; asan-tananao avokoa izahay rehetra.

8 Aza tafahoatra amin'ny hatezeranao hianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakariva ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!

9 Ireo tanananao masina, tonga efitra; Siona zary efitra, Jerosalema, tany maty.

10 Ny tranonay masina sy be voninahitra, izay nankalazan'ny razanay ny fiderana anao, efa nodoran'ny afo, ary ny zavatra maminay rava avokoa.

11 Ka dia mbola hahatsindry fo ihany va hianao amin'izany rehetra izany, ry Iaveh? Mbola hangina ihany va hianao sy hampijaly anay mafy indrindra?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0504