Bokin'Izaia

Toko faha-65

1 Nekeko hotadiavin'izay tsy nangataka ahy aho, nety ho hitan'ireo tsy nitady ahy aho; Hoy aho: Inty aho! Inty aho! tamin'ny firenena izay tsy nitondra ny anarako.

2 Namela-tanana tontolo andro aho, mankamin'ny vahoaka niodina, mankamin'ireo mizotra amin'ny lalan-dratsy, araka izay sitraky ny sainy; mankamin'ny vahoaka mihaika ahy,

3 tsy an-kijanona sy manatrika, izay manao sorona eny amin'ny zaridaina, mandoro emboka eny ambony biriky;

4 mitoetra any anaty fasana, ary mandany ny alina any am-pierena, mihinana henan-kisoa, mbamin'ny hanina maloto eo an-doviany;

5 manao hoe: Mihataha hianao! Aza manakaiky ahy, fa masina ho anao aho! Ireny dia setroka eo am-bavoroka, afo mirehitra mandrakariva.

6 Indro fa voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina aho mandra-pamaliko mandra-pamaliko ao an-tratran'ireny,

7 ny helokareo mbamin'ny heloky ny razanareo, hoy Iaveh, ny razanareo izay nandotra emboka, teny an-tendrombohitra, sy naniratsira ahy teny amin'ny havoana; hafatrako ao an-tratrany, ny valin'ny fitondra-tena nataony.

8 Izao no lazain'ny Tompo: Raha misy ranom-boaloboka eo amin'ny sampahony, dia hoy ny olona nahita azy: Aza simbana, fa misy fitahiana ao; toy izany koa no hataoko, noho ny amin'ny mpanompoko, mba tsy handrava azy rehetra.

9 Hamoaka taranaka avy amin'i Jakoba aho, sy mpandova ny tendrombohitro, avy amin'i Joda, ka ny voafidiko no hahazo azy, ary ny mpanompoko no honina eo.

10 Ary Sarona no hatao vala ho an'ny ondry, ary ny lohasahan'i Akora no hatao tany fiandrasana omby, ho an'ny oloko, izay nitady ahy.

11 Fa hianareo kosa izay nahafoy an'ny Tompo, sy nanadino ny tendrombohitro masina, fa mamela-databatra ho an'i Gada, ary mameno kapoaka ho an'i Meni,

12 atolotro ho an'ny sabatra hianareo, ka hiondrika hovonoina avokoa. Satria niantso aho, tsy novalianareo, niteny aho, fa tsy nohenoinareo; fa izay ratsy eo imasoko no nataonareo, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.

13 Koa izao no lazain'ny Tompo Tompo: Ny mpanompoko hihinana, fa hianareo ho noana; ny mpanompoko hisotro, fa hianareo hangetaheta. Ny mpanompoko hiravoravo, fa hianareo hangaihay;

14 ny mpanompoko hihira noho ny hafalian'ny fony, hianareo kosa hikiakiaka noho ny fahorian'ny fonareo; sy hidradradradra noho ny fangitakitaky ny fanahinareo;

15 ary ny anaranareo dia havelanareo hatao fiozonana eo amin'ireo voafidiko; ary hianao hovonoin'ny Tompo Tompo; fa ireo mpanompony kosa hantsoiny amin'ny anarana hafa.

16 Na iza na iza te hotahina eto an-tany, dia hitady hotahin'ny Andriamanitry ny fahamarinana; ary na iza na iza hianiana eto an-tany, hianiana amin'ny Andriamanitry ny fahamarinana. Fa ny fahoriana taloha hohadinoina, sy ho lasa tsy ho hitan'ny maso intsony.

17 Fa indro mahary lanitra vaovao sy tany vaovao aho, ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony, na ho mby ao an-tsaina akory aza.

18 Aoka hifaly kosa hianareo, sy hanan-kafaliana mandrakizay, noho izay efa hohariko: fa indro aho hahary an'i Jerosalema ho an'ny fifaliana, sy ny vahoakany ho an'ny firavoravoana.

19 Dia ho faly amin'i Jerosalema aho, sy ho ravoravo amin'ny vahoakako. Ka tsy misy ho re ao intsony, na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.

20 Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka ho fohy andro iainana, na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan'ny androny; fa mbola maty tanora ihany ny maty amin'ny fahazato taonany, ary efa zato taona ny mpanota vao ho tratry ny ozona.

21 Hanao trano izy, dia izy no honina ao; hamboly voaloboka izy, dia izy no hihinana ny vokany.

22 Fa tsy hanao trano honenan'ny hafa izy, na hamboly hihinanan'ny sasany. Fa hanahaka ny an'ny hazo ny andron'ny oloko; ary hahatonta ny asan'ny tanany ireo voafidiko.

23 Tsy hanasa-tena foana intsony izy; na hiteraka ho faty tampoka foana; fa ho taranaka ambinin'ny Tompo izy ireo mbamin'ny solofony miaraka aminy.

24 Alohan'ny hiantsoany dia hamaly aho; mbola hiteny izy, dia efa ekeko ny teniny.

25 Ny amboadia sy ny zanakondry hiara-miraotra vilona, ny menarana hihinam-bovoka; ny liona hihinam-bilona hoatra ny omby; ary ny tany no hiveloman'ny bibilava. Ary tsy hisy ratsy na fanimbana hatao, eo amin'ny tendrombohitro masina manontolo, hoy Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.047