Bokin'Izaia

Toko faha-66

1 Izao no lazain'ny Tompo: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?

2 Izao rehetra izao nataon'ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin'ny Tompo. Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin'ny teniko.

3 Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manendaka alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny làlany, sy ankasitrahan'ny fanahiny ny fahavetavetany,

4 toy izany koa aho hifidy ny fampahoriana azy sy hampianjera amin'izy ireo ny zavatra atahorany, satria niantso aho, fa tsy nisy namaly; niteny aho, fa tsy nohenoin'izy ireo; izay ratsy eo imasoko no nataony; ary izay tsy sitrako no nofidiny.

5 Mihainoa ny tenin'ny Tompo, hianareo izay mangovitra amin'ny teniny: Niteny ireo rahalahinareo izay mankahala anareo, sady nandroaka anareo noho ny amin'ny anarako, nanao hoe: Aoka hasehon'ny Tompo ny voninahiny, mba hahitanay ny fifalianareo! Kanefa izy ireo no ho menatra.

6 Injany misy kotroka sy hahohaho avy any amin'ny tanàna, ary horakoraka avy ao an-tempoly! dia ny feon'ny Tompo, mandoa ny karaman'ireo fahavalony izany.

7 Mbola tsy nihetsi-jaza izy, dia efa niteraka; mbola tsy nanaintaina akory, dia efa velon-jazalahy!

8 Zovy no mba efa nandre izay toy izany, zovy no mba efa nahita izay tahaka izany. Misy tany iray teraka indray andro va? na firenena iray natao indray niteraka? no vao nihetsi-jaza Siona dia niteraka ireo zanany?

9 Hanokatra ny fiterahana va aho, ka tsy hampiteraka? hoy Iaveh; sa izaho izay mampiteraka indray no hisakana tsy hiteraka: hoy ny Andriamanitrao.

10 Miaraha mifaly amin'i Jerosalema hianareo, ary miravoravoa noho ny aminy, hianareo rehetra tia azy. Ary aoka hiara-mientan-kafaliana aminy avokoa, hianareo nitomany azy;

11 mba hinonoanareo sy hivokisanareo, amin'ny nonon'ny fampiononany; ary mba hankafizanareo amim-pahafinaretana, ny hafenoan'ny voninahiny.

12 Satria izao no lazain'ny Tompo: Indro hataoko misononoka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony, sy ny voninahitry ny firenena, hoatra ny renirano tondraka; ka hianareo dia hampinonoina, hotrotroina, ary hosafosafoina eo am-pofoana.

13 Hoatra ny olona alan-dreniny alahelo, no hanalako alahelo anareo, ka dia ho afak'alahelo ao Jerosalema hianareo.

14 Hahita izany hianareo, ka ho faly ny fonareo, ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo. Hataon'ny tanan'ny Tompo izay hahalalan'ny mpanompony azy, sy hahalalan'ny fahavalony kosa ny fahatezerany.

15 Satria indro Iaveh tamy ao amin'ny afo; ary ny kalesiny dia sahala amin'ny tadio, hamoaka ny fahatezerany amim-pirehetana, sy ny fandrahonany amin'ny afo midedadeda.

16 Fa amin'ny afo no anaovan'ny Tompo ny fitsarana, ary ny sabany no ampiharany azy amin'ny nofo rehetra; ary maro no ho voagorobak'Iaveh.

17 Izay manokan-tena sy mandio tena ho ao an-tanimboly, eo ivohon'ilay iray efa mijoro eo afovoany, izay mihinana henan-kisoa sy ny zava-betaveta mbamin'ny totozy, dia hiara-devona avokoa, - teny marin'ny Tompo.

18 Fa izaho mahalala ny asany aman-kevitr'izy ireo! Tonga ny fotoana hamoriana ny firenena rehetra mbamin'ny samihafa fiteny rehetra. Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro,

19 ary hanao fahagagana eo amin'izy ireo aho. Ary ny afa-nandositra taminy dia hanirahako ho any amin'ny firenena, any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipika, Tobala sy Javana, ary any amin'ireo nosy lavitra, tsy mbola nandre ny lazako akory, na nahita ny voninahitro; dia hitory ny voninahitro any amin'ny firenena ireo.

20 Ny rahalahinao rehetra dia naverin'izy ireo, avy amin'ny firenena rehetra, ho fanatitra ho an'ny Tompo; haveriny mitaingin-tsoavaly, ambony kalesy, am-pilanjana, mitaingina mole aman-drameva, ho ao amin'ny tendrombohitro masina, ho any Jerosalema, hoy Iaveh, toy ny itondran'ny zanak'Israely ny fanatitra ao anaty lovia madio, any an-tranon'ny Tompo.

21 Ary misy halaiko aza amin'izy ireo, ho mpisorona sy levita, hoy Iaveh.

22 Fa tahaka ny lanitra vaovao, sy ny tany vaovao efa hohariko, haharitra eo anatrehako, - teny marin'ny Tompo, no haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo.

23 Isaky ny voalohan'ny volana, isaky ny voalohan'ny volana, sy isan-tsabata, isan-tsabata, ho avy hiankohoka eo anatrehako ny nofo rehetra, hoy Iaveh.

24 Ary rehefa mivoaka izy ireo, dia hahita ny fatin' ireo olona niodina tamiko; fa ny kankan'ireny tsy ho faty ny afony tsy ho vonoina, ary izy dia ho zava-maharikoriko amin'ny nofo rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1316