Bokin'Izaia

Toko faha-7

1 Tamin'ny andron'i Akaza, zanak'i Joatama, zanak'i Oziasa, mpanjakan'i Jodà, dia niakatra hanafina an'i Jerosalema, Rasima, mpanjakan'i Siria, niaraka tamin'i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan'Israely; nefa tsy nahafaka azy izy.

2 Nambara tamin'ny taranak'i Davida izany vaovao izany, fa hoe: Mitoby any amin'i Efraima i Siria. Tamin'izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo an'ala ny fon'ny mpanjaka sy ny fon'ny vahoaka. 3 Dia hoy Iaveh tamin'Izaia: Mivoaha hianao sy Seara-Jasoba, zanakao, hitsena an'i Akaza eo amin'ny faran'ny lakan-dranon'ny kamory ambony, amin'ny làlan'ny sahan'ny mpamotsy lamba; 4 ka hianao hilaza aminy hoe: Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana hianao eo anatrehan'ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin'ny fisafoak'i Rasima sy Siria, ary ny zana-dRomelia. 5 Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao mbamin'i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe:

6 Andeha isika hananika an'i Jodà, ka hampaharaiki-tahotra azy sy hananika azy ary hanangana ny zanak'i Tabeela ho mpanjaka ao;

7 noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany!

8 Satria fa Damasa no lohan'i Siria, ary Rasina no lohan'i Damasa; ka dimy amby enimpolo taona sisa, dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony Efraima.

9 Ary Samaria no lohan'i Efraima, ny zana-dRomelia no lohan'i Samaria. Raha tsy mino hianareo, dia tsy haharitra.

10 Mbola niteny tamin'i Akaza koa Iaveh nanao hoe:

11 Mangataha famantarana amin'ny Tompo Andriamanitrao: mangataha izany, na any amin'ny faravodin'ny seoly, na any amin'ny havoan'ny lanitra. 12 Fa hoy Akaza: Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy an'ny Tompo aho. 13 Ka hoy Izaia: Mihainoa, ry taranak'i Davida: Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an'Andriamanitra koa hianareo?

14 Noho izany dia tenan'ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro nanan'anaka ny Virjiny, ka miteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Emmanoela.

15 Hihinana hero-dronono sy tantely izy, mandra-pahainy mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara.

16 Fa alohan'ny hahaizan'io zaza io mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara, dia ho rava ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.

17 Iaveh hahatonga aminao sy ny vahoakanao ary amin'ny fianakavian-drainao, andro tsy mbola nisy tonga toa azy, hatramin'ny andro nisarahan'i Efraima tamin'i Jodà, - dia ny mpanjakan'i Asiria.

18 Amin'izany andro izany, Iaveh hisiaka ny lalitra any amin'ny fara lafin'ny onin'i Ejipta, sy ny renitantely, any amin'ny tanin'i Asiria.

19 Dia ho avy ireny, ka hipetraka avokoa eny amin'ny lohasaha mideza, sy eny an-tsefatsefa-karambato, any amin'ny hazo madinika milobolobo, mbamin'ny tany fiandrasana biby rehetra.

20 Amin'izany andro izany ny Tompo hanaratra, amin'ny hareza nahofany tany an-dafin'ny ony, - dia amin'ny mpanjakan'i Asiria, - ary hoesoriny koa ny volom-bava.

21 Amin'izany andro izany, ny olona iray hiompy ombivavy iray sy ondrivavy roa;

22 ka noho ny habetsahan'ny ronono avy amin'ireny dia tsy hihinana afa-tsy hero-dronono ny olona; fa hero-dronono sy tantely no fihinan' ny olona rehetra tafajanona eo amin'ny tany.

23 Amin'izany andro izany ny tany rehetra misy foto-boaloboka arivo izay lafo lela volafotsy arivo, dia ho rakotra hery sy tsilo.

24 Zana-tsipìka aman-tsipìka, no ho enti-miditra ao, fa tsy hisy afa-tsy hery sy tsilo, amin'ny tany rehetra.

25 Ary ny tendrombohitra rehetra izay fiasa amin'ny antsetra fiavana tsy hankanesanao intsony noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; fa dia ho tany fiandrasana omby, ary ho tany hitsakitsahan'ny ondry.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1236