Bokin'Izaia
Toko faha-7
8 Satria fa Damasa no lohan'i Siria, ary Rasina no lohan'i Damasa; ka dimy amby enimpolo taona sisa, dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony Efraima.10 Mbola niteny tamin'i Akaza koa Iaveh nanao hoe:
11 Mangataha famantarana amin'ny Tompo Andriamanitrao: mangataha izany, na any amin'ny faravodin'ny seoly, na any amin'ny havoan'ny lanitra. 12 Fa hoy Akaza: Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy an'ny Tompo aho. 13 Ka hoy Izaia: Mihainoa, ry taranak'i Davida: Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an'Andriamanitra koa hianareo?
14 Noho izany dia tenan'ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro nanan'anaka ny Virjiny, ka miteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Emmanoela.