Bokin'Izaia
Izaia toko 7. 10-14
10 Mbola niteny tamin'i Akaza koa Iaveh nanao hoe: 11 Mangataha famantarana amin'Iaveh Andriamanitrao: mangataha izany, na any amin'ny faravodin'ny seoly, na any amin'ny havoan'ny lanitra. 12 Fa hoy Akaza: Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy an'Iaveh aho.
13 Ka hoy Izaia:
Mihainoa, ry taranak'i Davida:
Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,
no dia mbola mahasasatra an'Andriamanitra koa hianareo?
14 Noho izany dia tenan'ny Tompo no hanome famantarana anareo:
Indro nanan'anaka ny Virjiny, ka miteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Emmanoela.