Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 7, 10-16

       <10Mbola niteny tamin'i Akaza koa Iaveh nanao hoe: 11Mangataha famantarana amin'ny Tompo Andriamanitrao: mangataha izany, na any amin'ny faravodin'ny seoly, na any amin'ny havoan'ny lanitra. 12Fa hoy Akaza: Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy an'ny Tompo aho.
       13Ka hoy Izaia:
Mihainoa, ry taranak'i Davida:
Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona,
no dia mbola mahasasatra an'Andriamanitra koa hianareo?
       14Noho izany dia tenan'ny Tompo no hanome famantarana anareo:
Indro nanan'anaka ny Virjiny, ka miteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Emmanoela.
       15Hihinana hero-dronono sy tantely izy,
mandra-pahainy mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara.
       16Fa alohan'ny hahaizan'io zaza io mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara,
dia ho rava ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo. >