Bokin'Izaia

Toko faha-9

1 Ny vahoaka nandeha tamin'ny aizim-pito, nahita mazava lehibe; ary ireo nonina tamin'ny tany aloky ny fahafatesana, namirapiratan'ny mazava.

2 Nampitombo ny vahoakanao hianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana; ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy, toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.

3 Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin'ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin'ny andron'i Madiana.

4 Ny kapan'ny mpiady rehetra tamin'ny fikatrohana mbamin'ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin'ny afo: ka levon'ny afo.

5 Fa misy zaza teraka ho antsika; zazalahy nomena antsika; ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony; ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian'ny fiadanana,

6 mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin'ny hitsiny sy ny rariny, hatramin'izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon'ny Tompon'ny tafika no hanatanteraka izany.

7 Nandefa teny ho an'i Jakoba, ny Tompo, ary mihatra amin'Israely izany;

8 hahalala izany avokoa ny vahoaka, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amim-piavonavonana sy amim-pireharehan'ny fony manao hoe:

9 Nianjera ny biriky, fa vato voapaika kosa no harafitsika, voakapa ny aviavy fa sedera kosa no hasolontsika azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2155