Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko voalohany

1 Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Jesoa-Kristy, miarahaba ny foko roa ambin'ny folo, izay miely any rehetra any.

2 Raiso ho fifaliana avokoa, ry rahalahy, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midòna aminareo,

3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga fandeferana. 4 Ary aoka ny fandeferana homban'asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra hianareo, ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo. 5 Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin'Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria, sady manome malalaka ho an'ny olona rehetra izy no tsy mba mandatsa.

6 Aoka anefa hangataka amim-pinoana izy, fa tsy hisalasala; fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina atopatopa amana hetsiketsehin'ny rivotra. 7 Ka ny olona toy izany dia aza mba manampò hahazo zavatra amin'ny Tompo, 8 fa olona miroa saina sy mivadibadika amin'izay alehany rehetra. 9 Aoka ny rahalahy ambany toetra hanao ny fisandratany ho reharehany;

10 ary ny manan-karena kosa, ny fietreny ho voninahiny, fa hihelina toy ny vonin'ny ahitra izy. 11 Nony miposaka ny masoandro mahamay, dia mandazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny rehetra: toy izany koa ny mpanan-karena, halazo amin'izay alehany izy. 12 Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rahefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitry ny fiainana, izay nampanantenain'Andriamanitra homena izay tia azy.

13 Aoka izay alaim-panahy tsy hisy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azo alaim-panahy ho amin'ny ratsy, sady maka fanahy olona. 14 Fa isam-batan'olona dia samy taomin'ny filan-dratsiny, izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy. 15 Ny filan-dratsy kosa, rahefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rahefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana. 16 Aza diso hevitra, ry rahalahy malalako.

17 Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin'ny Rain'ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin'ny fihodinana. 18 Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana izy, mba ho santatry ny zava-boariny isika. 19 Araka ny fantatrareo rahateo, ry rahalahy malalako, dia aoka ny olona rehetra hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny, sy tsy halaky tezitra.

20 Fa ny fahatezeran'ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan'Andriamanitra. 21 Koa ario ny fahalotoana rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. 22 Aza mamita-tena amin'ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny.

23 Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin'ny fitaratra: 24 vatany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin'izay ny toe-tarehiny. 25 Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin'ny fanaovany an'izany. 26 Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony. 27 Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton'izao tontolo izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0868