Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko voalohany

12 Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rahefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitry ny fiainana, izay nampanantenain'Andriamanitra homena izay tia azy.

13 Aoka izay alaim-panahy tsy hisy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azo alaim-panahy ho amin'ny ratsy, sady maka fanahy olona. 14 Fa isam-batan'olona dia samy taomin'ny filan-dratsiny, izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy. 15 Ny filan-dratsy kosa, rahefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rahefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana. 16 Aza diso hevitra, ry rahalahy malalako.

17 Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin'ny Rain'ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin'ny fihodinana. 18 Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana izy, mba ho santatry ny zava-boariny isika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1053