Taratasy Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba
Toko voalohany
19 Araka ny fantatrareo rahateo, ry rahalahy malalako, dia aoka ny olona rehetra hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny, sy tsy halaky tezitra.20 Fa ny fahatezeran'ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan'Andriamanitra. 21 Koa ario ny fahalotoana rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. 22 Aza mamita-tena amin'ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny.
23 Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin'ny fitaratra: 24 vatany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin'izay ny toe-tarehiny. 25 Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin'ny fanaovany an'izany. 26 Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony. 27 Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton'izao tontolo izao.