Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko faha-2

14 Raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa, inona no soa ho azony? Moa hahavonjy azy va izany finoana izany?

15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan'andro, 16 ka ilazan'ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain'ny vatany, inona no soa azony amin'izany? 17 Mba toy izany ihany koa ny finoana, raha tsy omban'asa izy, dia tena maty mihitsy. 18 Hamaly koa ny olona hanao hoe: Hianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa. Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0475