Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko faha-2

14 Raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa, inona no soa ho azony? Moa hahavonjy azy va izany finoana izany?

15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan'andro, 16 ka ilazan'ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain'ny vatany, inona no soa azony amin'izany? 17 Mba toy izany ihany koa ny finoana, raha tsy omban'asa izy, dia tena maty mihitsy. 18 Hamaly koa ny olona hanao hoe: Hianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa. Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako. 19 Hianao mino fa misy Andriamanitra iray; tsara ny ataonao; ny demony koa anefa mino izany, ka mangovitra. 20 Fa moa te-hiaiky va hianao, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy omban'asa?

21 Moa tsy ny asa va no nanamarinana an'i Abrahama razantsika, tamin'izy nanolotra an' Isaaka zanany teo ambonin'ny otely? 22 Hitanao fa niara-nanao ny finoana sy ny asany; ary ny asa aza no nahatontosa ny finoany. 23 Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: Ary Abrahama nino an'Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan'Andriamanitra izy. 24 Hitanao amin'izany fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana fotsiny ihany. 26 Toy ny ahafatesan'ny vatana tsy misy fanahy no ahafatesan'ny finoana tsy omban'asa koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1476