Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko faha-3

16 satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana, dia tsy maintsy misy fikorontanana sy izao asa ratsy rehetra izao koa. 17 Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indra fo amana voka-tsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy. 18 Ary izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fihavanana.

Toko faha-4

1 Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy avy amin'ny filan-dratsinareo izay miady ao anatin'ny nofonareo va?

2 Mitsiriritra hianareo, nefa tsy mahazo; mamono sy mialona hianareo, nefa tsy mety manana; mifanditra sy miady hianareo; ary hianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka hianareo; 3 mangataka hianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan'ny filan-dratsinareo, ka tsy mahazo hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1547