Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko faha-4

1 Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy avy amin'ny filan-dratsinareo izay miady ao anatin'ny nofonareo va?

2 Mitsiriritra hianareo, nefa tsy mahazo; mamono sy mialona hianareo, nefa tsy mety manana; mifanditra sy miady hianareo; ary hianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka hianareo; 3 mangataka hianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan'ny filan-dratsinareo, ka tsy mahazo hianareo. 4 Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon'Andriamanitra.

5 Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain'ny Soratra Masina hoe: Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy izay nampitoeriny ao anatinareo? 6 Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain'ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena. 7 Koa maneke an'Andriamanitra hianareo, ary manohera ny demony, dia handositra anareo izy. 8 Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina. 9 Fantaro ny fahorianareo, ka manaova fisaonana, dia mitomania. Aoka hanjary ranomaso ny hehinareo, ary hody alahelo ny hafalianareo. 10 Manetre tena eo anatrehan'Andriamanitra, dia hanandratra anareo izy. 11 Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy ny rahalahiny, na mitsara ny rahalahiny, dia manaratsy ny Lalàna, sy mitsara ny Lalàna. Ary izay manaratsy ny Lalàna dia mba mpankatò ny Lalàna, fa mihambo ho mpitsara azy.

12 Iray monja no Mpanao lalàna sy Mpitsara, dia ilay mahay mamonjy na mamery. 13 Ary hianao kosa mba iza, no mitsara ny namana? Ary inty ny aminareo izay manao hoe: Hankany ananona izahay, anio na rahampitso, dia hitoetra any herin-taona, ka hivarotra sy hahazo tombom-barotra: 14 kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory hianareo; 15 fa inona moa ny ainareo? - Zavona kely miseho vetivety, dia levona indray. Koa izao no tokony hatao: Raha sitra-pon'Andriamanitra, ka velona ny aina, dia hanao izao, na izany izahay. 16 Fa izao dia mirehareha amin'ny fahasahianareo hianareo; ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. 17 Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1005