Epistola Katolika Nosoratan'i Md. Jakoba

Toko faha-5

7 Koa mahareta àry, ry rahalahiko, mandra-pihavin'ny Tompo. Jereo ange ny mpiasa tany izay manantena ny voka-tsoan'ny tany: mandry amim-paharetana izy, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.

8 Aoka àry hianareo haharitra koa; ary ankaherezo ny fonareo, fa efa akaiky ny fihavian'ny Tompo. 9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahiko, fandrao dia helohina hianareo. Indro efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara! 10 Aoka ny mpaminany, izay niteny tamin'ny anaran'Andriamanitra, ry rahalahy, no hataonareo fakan-tahaka ny fandeferana sy ny faharetana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0955