Ny Jenezy

Toko voalohany

2 Tsy nisy endrika sady foana ny tany; ny aizina nanarona ny hantsana ary ny fanahin'Andriamanitra nisonenika tambonin'ny rano. 20 Hoy Andriamanitra: Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin'ny tany, eny amin'ny habakabaky ny lanitra.

21 Dia noharin'Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano, sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra, mihelotrelotra anatin'ny rano, samy araka ny karazany avy, mbamin'ny voro-manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 22 Dia nitsodrano an'ireo Andriamanitra nanao hoe: Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin'ny tany. 23 Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahadimy. 24 Hoy Andriamanitra: Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy, dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin'ny tany, araka ny karazany avy. Dia tanteraka izany.

25 Nataon'Andriamanitra ny bibin'ny tany, araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, mbamin'izay rehetra mikisaka amin'ny tany, araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 26 Rehefa izany dia hoy Andriamanitra: Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika, ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin'ny ranomasina, ny voro-manidina eny amin'ny habakabaka, ny biby fiompy sy ny tany rehetra, ary ny biby mandady mikisaka amin'ny tany.

27 Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin'Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo. 28 Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy; ary anjakao ny hazan-drano ao amin'ny ranomasina, ny voro-manidina mbamin'ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin'ny tany. 29 Ary hoy Andriamanitra: Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin'ny tany, mbamin'ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy; izany no atao fihinanareo. 30 Fa ho an'ny bibin'ny tany mbamin'ny voro-manidina sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin'ny tany, ka manam-pofon'aina ao aminy, dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany. Dia tanteraka izany. 31 Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva sy nisy maraina: izay no andro fahenina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1705