Ny Jenezy

Toko voalohany

26 Rehefa izany dia hoy Andriamanitra: Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika, ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin'ny ranomasina, ny voro-manidina eny amin'ny habakabaka, ny biby fiompy sy ny tany rehetra, ary ny biby mandady mikisaka amin'ny tany.

27 Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin'Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo. 28 Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy; ary anjakao ny hazan-drano ao amin'ny ranomasina, ny voro-manidina mbamin'ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin'ny tany. 29 Ary hoy Andriamanitra: Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin'ny tany, mbamin'ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy; izany no atao fihinanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1109