Ny Jenezy

Toko faha-12

1 Hoy Iaveh tamin'i Abrama: Mialà amin'ny taninao sy amin'ny fianakavianao ary amin'ny tranon-drainao mba ho any amin'ny tany hasehoko anao.

2 Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao. 3 Ho tonga fanasoavana hianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 4 Dia niainga Abrama araka ny tenin'ny Tompo taminy, ary niara-nandeha taminy koa Lota. Efa dimy amby fito-polo taona Abrama fony izy niala tany Haràna.

5 Nentiny Saray vadiny, sy Lota zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin'ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin'ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin'ny tany Kanaana izy. 6 Dia namaky ny tany Abrama, hatrany amin'ny fitoerana atao hoe Sikema, hatrany amin'ny terebintan'i More.

7 Ny Kananeana tamin'izay no nitoetra tamin'ny tany. Niseho tamin'i Abrama Iaveh ka nanao hoe: Homeko ny taranakao ity tany ity. Ary teo Abrama nanorina otely ho an'ny Tompo izay niseho taminy. 8 Nifindra avy eo izy ho any amin'ny tendrombohitra ao atsinanan'i Betela, dia niorin-day izy, ka Betela teo andrefany ary Hay teo atsinanany. Ary nanorina otely ho an'ny Tompo izy teo, ka niantso ny anaran'ny Tompo. 9 Dia nandroso ihany Abrama nifindrafindra lasy nianatsimo. 10 Fa nisy mosary teo amin'ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin'ny tany.

11 Nony efa nadiva hiditra tany Ejipta dia hoy izy tamin'i Saray vadiny: Fantatro fa noho hianao vehivavy tsara tarehy, 12 rahefa mahita anao ny Ejipsiana dia hataony hoe: Vadiny io, ka hovonoiny aho, fa hianao kosa hovelominy. 13 Koa lazao fa anabaviko hianao, ka hianao no handraisany ahy tsara ary hianao no hamelany ahy ho velona. 14 Nony tonga tany Ejipta Abrama, dia hitan'ny Ejipsiana fa tsara tarehy tokoa ny vadiny. 15 Nony nahita azy ny lehibe ao amin'i Faraona dia nataony laza masaka tamin'i Faraona izy: ary nalaina ho ao an-dapan'i Faraona ravehivavy. 16 Nasiany soa Abrama noho ny amin-dravehivavy, ka nahazo ondry, omby, ampondra, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ampondravavy sy rameva. 17 Nefa loza mafy dia mafy no namelezan'ny Tompo an'i Faraona sy ny ankohonany, noho ny amin'i Saray vadin'i Abrama, 18 ka nampaka an'i Abrama Faraona nilazany hoe: Nahoana aho no dia nataonao toy izao? Ahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy, 19 fa nataonao hoe: anabaviko izy; ka tonga nalaiko ho vady. Koa indro ankehitriny ny vadinao, raiso izy ka mandehana. 20 Dia nohafatrafaran'i Faraona ny mpanompony, ny amin'i Abrama, ka nalefany hody izy sy ny vadiny, omban'ny fananany rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0368