Ny Jenezy
Toko faha-12
1 Hoy Iaveh tamin'i Abrama: Mialà amin'ny taninao sy amin'ny fianakavianao ary amin'ny tranon-drainao mba ho any amin'ny tany hasehoko anao.2 Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao. 3 Ho tonga fanasoavana hianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 4 Dia niainga Abrama araka ny tenin'ny Tompo taminy, ary niara-nandeha taminy koa Lota. Efa dimy amby fito-polo taona Abrama fony izy niala tany Haràna.
5 Nentiny Saray vadiny, sy Lota zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin'ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin'ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin'ny tany Kanaana izy. 6 Dia namaky ny tany Abrama, hatrany amin'ny fitoerana atao hoe Sikema, hatrany amin'ny terebintan'i More.
7 Ny Kananeana tamin'izay no nitoetra tamin'ny tany. Niseho tamin'i Abrama Iaveh ka nanao hoe: Homeko ny taranakao ity tany ity. Ary teo Abrama nanorina otely ho an'ny Tompo izay niseho taminy. 8 Nifindra avy eo izy ho any amin'ny tendrombohitra ao atsinanan'i Betela, dia niorin-day izy, ka Betela teo andrefany ary Hay teo atsinanany. Ary nanorina otely ho an'ny Tompo izy teo, ka niantso ny anaran'ny Tompo. 9 Dia nandroso ihany Abrama nifindrafindra lasy nianatsimo.
